IVON-JOBILY FAHA 150T FJKM AMO

Amin’ny Alahady 11 aogositra 2019 no hankalazana an’Andriamanitra noho ny fahatrarana ny Ivonjobily faha 150T FJKM AMO.

Hisy tranoheva (Exposition)  hanehoan’ireo Hery velona rehetra izay misy sy  mijoro eto amin’ny Fitandremana :  Sampana, Fikambanana, Asa, ny tantarany nandritra izay 150T izay.

Manomboka ny Sabotsy 03 sy Alahady 04 aogositra 2019. Mitohy ny Sabotsy 10 sy Alahady 11 aogositra 2019 eo amin’ny Tokotany Sekoly FJKM Ambohimamory ihany.

Toy ny fanao isan-taona dia ny Alahady 11 aogositra 2019 no Alahady Taranaka sy ny Zanaka Ampielezana  ety an-tanindrazana. Efa afaka misoratra anarana dieny izao ny isam-pianakaviana ary mandray ny  Valopim-pahasoavana ao amin’ny Mpandraharaha Fiangonana.

Print Friendly, PDF & Email